<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>English Traditional</author>
<hymn_number>65</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Betlehema kely ô !
 Sondrian-tory ve ?
 Kanefa injay miseho ao
 Ny hazavana be.
 Ny toky sy ny tahotra
 Mihaona ankehitrio,
 Fa Kristy Ilay Mpanavotra
 No teraka anio.

[V2]
 Ry kintana maraina ô !
 Fitarik'andro soa.
 Torio fa tonga aty izao
 Ilay Mpanjaka soa !
 Ka he ! ny voninahitra
 Ho an'Andriamanitra !
 Fiadanana tsy tapitra
 Ho an'ny olona.

[V3]
 Endrey, mangina fatratra
 Ny fampidinana
 Ny fitahian-danitra
 Am-po ny olona !
 Tsy misy tabataba re,
 Fa horakoraka.
 Kanefa Kristy tonga anie
 Am-po mangoraka !

[V4]
 Rankizy hendry sy madio
 Tsarovy Kristy izao
 Fa izy tonga atý anio,
 Mba ho Mpamonjinao.
 Na misy aza ny manjo.
 Izao Noely izao
 No saino fatratra ao am-po
 Hampionona anao !

[V5]
 Ry Zaza Masina sy soa,
 Ry Zanak'i Maria,
 Ry Tomponay, Mpamonjy
 koa,
 Midina re atý.
 Ny feon'ny lanitra no re,
 Indray Noely izay,
 Nitondra teny soa hoe :
 Hianao no avotray !</lyrics>
<title>Ry Betlehema kely o! FFPM65</title>
</song>